Fampianarana

EPP Vohibola Nasiam-panavaozana tanteraka, nahazo “kits scolaire” ny mpianatra


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Nasiam-panavaozana tanteraka ny sekoly ambaratonga fototra ao Vohibola, manamorona ny lakandranon’i Pangalana any amin’iny faritra Atsinanan’ny Nosy iny.

 

Ny alarobia teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa ho fanampiana ireo ankizy mpianatra hanovo fahalalana amina toerana manara-penitra na dia any ambanivohitra aza. Ny vondrona Star no anisan’ny angady nananana   ny fotodrafitrasa sady nanolotra fampitaovana ho an’ireo mpianatra ihany koa. Raha ny fantatra, mbola betsaka amin’ireo mpianatra ao amin’ity EPP iray ity no tsy manana akory na dia penina hanoratana aza noho ny fahasahiranana mianjady amin’ireo ray aman-dreniny. Nahitana kitapo, kahie, penina … ny fampitaovana ka ankizy miisa 112 no nahazo tombontsoa niaraka tamina dabilio miisa 56.  Kojakojam-pianarana miisa 339 moa no fantatra fa mbola hozaraina amina sekoly EPP efatra  ao amin’io faritra io ihany ho fanajana ny zon’ny ankizy. Nomarihin-dRtoa Anna Rabary, sekretera jeneraly eo anivon’ny vondrona Star fa zava-dehibe ho azy ireo ny fandraisana anjara mikasika ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana tahaka izao, indrindra ho an’ireo ankizy sy tanora izay hoavin’ny firenena.

.

Pati

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT