Fampianarana

EPP Tanjondava-Talatamaty Nitarina hahazaka mpianatra 600


  • Zoma 13 Novambra 2020

Hahazaka mpianatra hatramin’ny 600 raha toa ka 276 izany teo aloha ny EPP Tanjondava-Talatamaty, CISCO Ambohidratrimo izay vao nohavaozina hatrany ifotony.

 

 

Notokanan’ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle niaraka tamin’ny Ben’ny tanàna Raharinosy Elie Dominique, ny Depioten’Ambohidratrimo Mamy Rabenirina,… ny fotodrafitrasa izay ahitana efitrano fianarana enina raha tranokely efa zara raha nijoro izany teo aloha. Nanipika ny Minisitra fa hitondra fanantenana betsaka ho an’ny mponina eo Talatamaty izao fanavaozana izao satria handray ireo mpianatra amin’ny fokontany telo manodidina: Tanjondava, Amboropotsy ary Ankadivory. Fiaraha-miasa tamin’ny Groupe FILATEX no nahafahana namita ny fotodrafitrasa, ka ankoatra ny trano dia nanolotra dabilio miisa 100, fanafody hanarahana ny fahasalaman’ireo mpianatra eny amin’ny CSB II, manampy ny trano fisakafoanana an-tsekoly, fitaovana fidiovana, ary zaridaina an-tsekoly ihany koa ity mpiara-miombon’antoka ity. Tanjona ny hanohanana ny fitondram-panjakana hahatontosa ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara eo amin’ny lafiny fanabeazana, raha ny nambaran’ny tale eo anivon’ny FILATEX, Tanteraka Rakotoarisoa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT