EPP SY CEG ANOSIBE

Nentanina momba ny ora fanariam-pako ny mpianatra


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

CMH), izay hataon’ny Filohan’ny Delegasiona Manokana ny Tanànan’Antananarivo Atoa Richard Ramanambitana sy ireo mpiara-miasa aminy. Omaly Talata 16 Aprily maraina teo dia teny amin'ny CEG sy EPP Anosibe no nanohizan’izy ireo izany hetsika izany. Nambaran'Andriamatoa PDS tamin’izany fa manomboka izao dia ho mpanatanteraka iraka ireo mpianatra. Ny votoatin'izany iraka izany dia tsy inona fa ny fampahafantarana ny andininy faha-14 ao anatin’ny CMH izay mamaritra ny ora fanariana fako. Manomboka amin’ny 04 ora hariva ka hatramin’ny 08 ora alina izany isan’andro. Toraka izany koa ny andininy faha-16 izay milaza fa ny fako ao an-trano ihany no azo hariana eny amin’ny dabam-pako fa tsy sanatria hanararaotra ny andro hariva akory ny sasany dia hanary maloto anaty sachet plastika mainty…. Toy ny efa natao teny amin'ireo sekoly hafa eto an-drenivohitra dia notolorana valisoa ihany koa ireo mpianatra sangany tamin’ny voka-panadinana roa volana voalohany tao amin’ireo CEG sy EPP ireo.
Pati
Legende : Ny PDS-n’Antananarivo notronin’ireo mpianatry ny EPP sy ny CEG eo Anosibe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT