EPP ROA AO IVATO

Nasiam-panavaozana, notolorana dabilio


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Nasiam-panavaozana ny efitranon- tsekoly maromaro ao anatin’ireo sekoly ambaratonga

fototra ao Ivato, distrikan’Ambohidratrimo. Voakasik’izany ny EPP Ivato Base sy ny EPP Andafiavaratra Tanambao izay vao notokanana omaly Alarobia 11 Jona. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny orinasa Ravinala Airports sy ny TotalEnergies nampian’ny kaominina no angady nananana sy vy nahavitana izany. Narahina fanolorana dabilio maro vita avy amin'ny plastika avy amin'ny Sofitrans izany, kojakoja naodina niaraka tamin'ny Andao Company. Notolorana efitrano sy lava-drano vaovao izay hahazoana rano fisotro madio sy fidiovana koa ny mpianatra garabola tao amin'ny EPP Andafiavaratra Tanambao . "Ny fiaraha-miasa toy izao dia fomba hampiroboroboana ny fampianarana sy hampitomboana ny vitriky ny mpianatra hamonjy sekoly sady fiarovana ny tontolo iainana ", hoy ny hafatry ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa ka nampitondrainy ny solontenan'ny Kaominina Ivato. Nohamafisina fa: "Orinasa miasa eto Ivato ireo ary mitsinjo ny fiaraha-monina sosialy sy ny fiarovana tontolo iainana no sady mijery ny mahaolona."
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT