Fampianarana

EPP Namahora Avaratra Morondava Nankasitrahan’ny Airtel ireo mpianatra voalohany isan-kilasy


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Rehefa mianatra tsara ny ankizy dia mendrika hankasitrahana mba hanohizany hatrany ny ezaka efa natombony. Voakasik’izany manokana ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga fototra ao Namahora Avaratra, distrikan’i Morondava.

Tonga nankasitraka azy ireo ny orinasam-pifandraisana “Airtel Madagascar” notarihin’ny tale jeneraliny Eddy Kapudu ny faran’ny herinandro teo. Kitapo efa misy fitaovam-pianarana no azon’ireo mpianatra tamin’izany, mpianatra nahazo ny laharana voalohany isan-kilasy. Ankoatra izay dia notolorana “tee-shirt” sy kahie fandraisana naoty ary finday efa misy “wifi” maimaimpoana mandritra ny taona iray ihany koa ireo mpampianatra miisa 10 nanampy ireo mpianatra ireo. Ho an’ny talen’ny EPP Namahora Morondava kosa dia solosaina iray efa misy “wifi” maimaimpoana mandritra ny 12 volana no azony. Izany no natao moa dia hahafahana mamporisika hatrany ireo mpianatra hanao ny tsaratsara kokoa hatrany. Raha toraka izany koa ireo mpampianatra sy ny talen-tsekoly. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fitsinjovana ny maha-olona sy fanatsarana hatrany ny sehatry ny fanabeazana moa izao tanterahin’ny orinasam-pifandraisana Airtel izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ireo kitapo misy fitaovam-pianarana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT