Fampianarana

EPP Mahitsy Alasora Mpianatra 200 notolorana kojakoja sy fitafiana


  • Alatsinainy 28 Jona 2021

Mahatsiaro ho manana adidy ireo Reny ao anatin’ny kaominina Alasora tarihin’ny vadin’ny Ben’ny tanàna Razaka Mireille manoloana ireo kilonga madinika sy Reny sahirana ao amin’ny faritra iadidiany.

Nijery manokana ireo ankizy mpianatry ny sekoly ambaratonga fototra ao Mahitsy Alasora izy ireo ny zoma lasa teo niaraka tamin’ny fikambanana Association Mère et enfant, tarihin-dRamahandry Soafara. Nisy araka izany ny fanolorana kojakoja toy ny ranom-boankazo, vatomamy sy fitafiana ho an’ireo kilonga madinika miisa 200 manovo fahalalana eo anivon’ity sekoly ity indrindra amin’izao vanim-potoana mampahazo vahana ny hatsiaka mamirifiry eto amintsika izao. Nisy ihany koa ny fanolorana fanampiana ho an’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra izay nahitana paty, menaka, siramamy, ….Izany no natao moa dia ho fanampiana ireo Reny sy ankizy madinika amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Tsiahivina fa efa fanindroany izao ny fiaraha-miasan’ny Association Mère et Enfant sy ireo Reny ao anatin’ny kaominina Alasora.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT