Fampianarana

EPP Mahavelona Notoloran’ny Airtel kits scolaire ireo ankizy mpianatra


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Ankizy kamboty sy tsy manam-piahy ny ankamaroan’ireo mpianatry ny EPP Mahavelona.

 

 

 

Saika tsy manana fitaovam-pianarana hampiasaina ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, antony nanosika ny tale jeneralin’ny Airtel Atoa Maixent Bekangba nanolotra kits scolaire ho azy  ireo omaly. Mpianatra miisa 350 no nahazo tombontsoa tamin’izany, nahitana kahie, penina, feutres … Ankoatra ireto fitaovam-pianarana ireto dia nametrahan’ny Airtel  efitrano manokana hahafahan’ireo mpianatra mianatra ny informatika ihany koa ity EPP iray ity. Ahitana fitaovana toy ny laptops sy connexion haingam-pandeha io efitrano iray  io hahafahana mampivelatra ny fahalalan’ireo ankizy madinika. Tsiahivina fa efa folo taona izao no niahian’ny Airtel ity sekoly ambaratonga fototra iray ao Mahavelona ity.  Maro ireo fotodrafitrasa efa natsangany tao  an-toerana nandritra izany toy ny fanamboarana ny efitranon-tsekoly, ny trano famakiam-boky, ny fanampiana ireo mpampianatra…

 

 

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT