Fampianarana

EPP hafahafa Tsy maintsy mitondra kitay ny mpianatra vao afaka mianatra


  • Alarobia 25 Mey 2022

Hafakely ny fanaporetana mahazo ireo mpianatry ny EPP ao Befatotra, distrikan’i Sambava. Tsy mahazo mianatra toy ny mahazatra mantsy ny mpianatra ao amin’ny taona faharoa raha tsy mitondra kitay hazomainty ho an-dRamose

 mpampianatra hoy ny vaovao. Mahazo kapoka mafy ireo mpianatra izay tsy mitondra izany hany ka tsy vitsy ireo miferinaina ka velon-taraina tamin-dRay aman-dReniny. Saro-tadiavina mantsy ny kitay hazomainty any an-toerana. Ankoatra ny fahafahana mampiasa azy ireny handrahoana sakafo dia azo hampiasaina amin’ny zavatra hafa ihany koa ny hazo mainty. Tsy maintsy manokana fotoana mba hitadiavana io hazo mainty io araka izany ny mpianatra mba hahafahany miatrika amim-pitoniana ny fampianarana rehefa any an-tsekoly. Efa voafaritra mihitsy moa ny fotoana tsy maintsy hitondrana io kitay hazomainty io ho an-dRamose dia ny andron’ny alatsinainy, alarobia ary zoma izany. Efa mahalala tsara ity tranga ity moa ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianatra any an-toerana koa andrasan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra fatratra ny fandraisany andraikitra. Marihina moa fa herisetra hatao amin’ny ankizy mpianatra izany ary azo henjehina araka ny lalana ilay mampihatra azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Voasazy mitondra kitay mainty tahaka izao avokoa ny mpianatra rehetra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT