EPP Garbit Antsirabe

Feno 105 taona


  • Talata 12 Desambra 2023

Feno 105 taona ny EPP Garbit na “EPP Avenue de l’indépendance” Antsirabe,

izay sekolim-panjakana nanamarika ny tantaram-pirenena teto Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nampitondraina ny anaran'i Hubert August Garbit, izay Governora Jeneraly tamin'ny vanim-potoana naha zanatany frantsay an'i Madagasikara ny EPP. Teo anelanelan'ny taona 1909-1923 dia in-3 niverina teto Madagasikara ity manamboninahitra tao amin'ny tafika mpanjanatany frantsay ity. Tao anatin'izany vanim-potoana teo amin'ny tantaram-pirenena izany no nahavitan'ny zotran-dalamby mampitohy an'Antananarivo sy Antsirabe sy ny “Station Thermale” ao Andranomafana. Tanjon'ny fitondrana kolonialy frantsay tamin'izany ny hanamoràna ny fivezivezen'ireo vazaha tonga hanaraka fitsaboana sy hilona ranomafana ao Antsirabe. Tao anaty vinavinan'ny mpanjanaka tamin'izany ihany koa ny hampitoviana an'Antsirabe amin'ny tananàn'i Vichy, ao Frantsa, izay efa nalaza hatramin'izay tamin'ny fisian'ny “Station Thermale”. Ny hoe "Avenue de l'indépendance" indray dia anarana hisaloran'ny EPP Garbit ankehitriny, manamarika ny fiverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara nanomboka ny taona 1960 ary ankalazaina amim-pomba manetriketrika isaky ny 26 jona. Navoitran’ny talen'ny kabinetra eo anivon'ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra izany tsiahy ara-tantara izany, nandritra ny lanonam-pitokanana ireo fotodrafitrasa vaovao sy ireo efitranon-tsekoly nasiam-panavaozana tao amin'ny EPP Garbit, ny 08/12/23. Fotodrafitrasa sy fanavaozana ary fampitaovana ny sekoly vokatry ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka eo amin'ny CISCO Antsirabe I, andaniny, sy ny fikambanana KOZAMA na “Kolo Zaza Malagasy” miaraka amin'ny Fondation ANXIAN ankilany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT