Fampianarana

EPP Antanimbarinandriana Ny 75 %-n’ny mpianatra no efa nisoratra anarana


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Anio alatsinainy 19 novambra no hiditra amim-pomba ofisialy avokoa ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy.

 

 

 

 

 Hatramin’ny faran’ny herinandro teo nanaovanay fanadihadiana anefa dia mbola vitsy ihany ireo mpianatra no niverina namonjy ireny sekoly niaviany ireny toy ny etsy amin’ny EPP Antanimbarinandriana. Ny 75 %-n’ny mpianatra mantsy hatreto no nahavita fisoratana anarana, hoy ny talen-tsekoly Rtoa Adorson Hantamalala noho ny antony maro samihafa. Efa nanana fotoana lava ihany anefa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, hoy hatrany ity talen-tsekoly ity saingy mbola sakana hatrany ny fanangonana ilay vola aloa sy ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra. Ho azy ireo manokana dia 30.000 Ar hatrany no aloan’ny ray aman-dreny na zaza iray na efatra no hampianariny ao amin’ity EPP iray ity. Tsy mba mametraka fe-potoana farany ny amin’ny fandraisana mpianatra ihany koa izy ireo satria ny hahafahan’ny zaza Malagasy rehetra mandia ny varavaran-tsekoly no tanjony. Mbola afaka mandray mpianatra tsara ity EPP iray ity, hoy hatrany ny taleny. Anisany ireo mpianatra vaovao izay nomarihiny manokana fa tsy maintsy manao  fitsapam-pahaizana avokoa mialoha ny handraisana azy. Miisa 23 ireo mpampianatra ao amin’ny EPP Antanimbarinandriana ankehitriny ka ny 6 amin’ireo no mpampianatra FRAM.  Noferana ho 50 isan-kilasy kosa ireo ankizy hampianarina isaky ny efitrano raha mpianatra 1.100 no zakan’ny sekoly iray manontolo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT