Fampianarana

EPP ANTANIMBARINANDRIANA Nahazo trano famakiam-boky


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Nahazo trano famakiam-boky ny EPP etsy Antanimbarinandriana. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa,

 vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny masoivoho vahiny  ary ny miinisitera misahana ny fotodrafitrasa. Naharitra telo volana ny asa, tetikasa izay vokatry ny fanirian’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina entina hanampiana ireo ankizy madinika mpianatra. Avy hatrany dia novatsiana boky maro isan-tsokajiny miisa 5.000 ity trano famakiam-boky iray ity. Misy solosaina 20 isa ihany koa ao anatiny hahafahan’ny mpianatra mikaro-baovao sy mampiasa ireo teknolojia avo lenta. Novatsiana jiro mandeha  avy amin’ny herin’ny masoandro ihany koa moa ity tranon-tsekoly iray ity. Nahazo trano fisakafoanana vaovao ihany koa ny mpianatra. Nohavaozina ihany koa ny efitranon-tsekoly  efa antitra rehetra. Tonga nitokana izany ny filoham-pirenena.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT