EPP ANTANDROKOMBY

Hatao sekoly nomerika


  • Zoma 22 Mey 2026

Hatao sekoly nomerika ny EPP ao Antandrokomby,

kaominina Anosizato Andrasana, distrikan'Atsimondrano. Miezaka hatrany ny Ben'ny Tanàna Randrianjafy Elidio mitady fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombonantoka ho fampandrosoana ny fanabeazana ao an-toerana. Tontosa omaly Alakamisy 21 May ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny tetikasa "École Numérique" eto amin'ny faritra Analamanga ka anisan'ny nisitraka izany ny EPP Antandrokomby. Fandaharan'asa hiarahana amin'ny Orange Madagascar izy io hanomezana ireo mpampianatra, mpianatra ary talen-tsekoly fitaovana nomerika sy votoaty pedagogika mba hanampiana azy ireo amin’ny fomba fampianarana hampiasainy. Nisy ihany koa fanolorana "kits scolaires" ho an'ireo mpianatra mendrika indrindra ao amin'ny EPP Antandrokomby, vidéos projecteurs mirakitra fampianarana maro, ary tablette miisa 50. Tompon'andraikitra maro no tonga nanatrika izany. Tsiahivina fa sekoly miisa 40 hatreto no nahazo tombontsoa tamin'ity tetikasa ity. Mpianatra 400.000 nisitraka izany raha tamin'ny taona 2014 no nanomboka ny tetikasa.
Pati
Légende : Santionany tamin'ireo mpianatra mendrika notolorana kits scolaires !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT