Fampianarana

EPP Ankofafa Fianarantsoa Latsakemboka 4 tapitrisa Ar voahodinkodina


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Mpikambana ao anatin’ny Fikambanan'ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra miisa 5 no fantatra fa arahi-maso ara-pitsarana ao Fianarantsoa.

Raha araka ny fantatra dia nanodinkodina vola mitentina 4 tapitrisa Ar izy 5 mianadahy ireo nandritra ny taom-pianarana 2019-2020 raha araka ny tatitry ny birao mahaleo tena iadiana amin'ny kolikoly. Tao amin'ny EPP Ankofafa Fianarantsoa no nitrangan'izany. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia voahodina tamin'ny fomba feno hafetsena io lelavola io saingy mailo ihany koa ireo tompon'andraikitra. Natao handoavana ny karaman'ireo mpampianatra mbola tsy voaray ho mpiasam-panjakana moa ity latsak'emboka alohan'ny fikambanan'ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra ity. Tsiahivina fa efa mitsangana eto amintsik ny tetikasa score ankehitriny hovondronan'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao gazety tohanan'ny bianco. Andraikitr raisin'izy ireo ny hitory sy hotoroka ny zavatra tsy mety eny anivon'ny fiaraha-monina indrindra fa ny sehatry ny fanabeazana tahak izao.
Pati Legende : Teto amin'ity Epp iray ity no nitrangan'izany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT