EPP ANKADIVATO

Nahazo dabilio 48, notolorana loka ireo mpianatra mendrika


  • Talata 29 Aprily 2025

Nahazo dabilio miisa 48 ny sekoly ambaratonga fototra etsy Ankadivato Atsimondrano.

Nivoitra izany omaly Alatsinainy 28 Aprily nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny boky. Nanokatra izany tamim-pomba ofisialy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle.Hetsika maro samihafa no nanamarihana ny fankalazana toy ny famaranana ny fifaninanana vaky boky nanomezana lanja ireo mpianatra, sy ny fifanakalozana teo amin'ireo mpianatra sy Rtoa Minisitra.Notokanana nandritra izany ihany koa ny toeram-pamakiam-boky izay vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ny "Lions club" Antananarivo Iarivo izay manamarika ny faha-30 taona nijoroany sy ny fanomezana maro samihafa avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka, ho fampandrosoana ny vaky boky sy ny fanabeazana. Ny Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fitaovam-pampianarana (DDIS) no niandraikitra izany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafatafa nataon-dRamatoa Ministra sy ireo mpianatra!

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT