Fampianarana

EPP Andranovao Ambohimangakely Nohavaozina tanteraka


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

Nasiam-panavaozana tanteraka ny sekoly ambaratonga fototra ao Andranovao Ambohimangakely.

 

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Vivo Energy  sy ireo mpianatra andiany Fanantenana ao amin’ny sekoly ambony INSCAE no angady nananana sy vy nahitana izany. Tanjona tao anatin’ity tetikasa ity ny hanatsarana ny fampianarana omena ireo ankizy madinika miisa 500 mandranto fianarana ao amin’ity fokontany iray ity eo anelanelan’ny telo ka hatramin’ny 10 taona izay zanaky ny sahirana ara-pivelomana avokoa ny ankamaroany. Anisan’ny asa natao tamin’izany ny fanatsarana  ny trano fivoahana, ny fandokoana ny trano ivelany, ny fanoloana ny varavarana, ny fanamboarana toerana hahafahan’ny ankizy milalao niampy fanomezana fitaovana hoenti-mampianatra ho an’ireo ankizy madinika. Tafiditra ao anatin’ny asa tontosain’ny Vivo Enregy eto amintsika ny fanatsarana sy ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana. Nambaran’ny tale jeneraliny fa rehefa tsara ny tontolo iainan’ny ankizy any am-pianarana dia tsara ihany koa ny fahitany ny hoaviny. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT