EPP AMPITATAFIKA VAOVAO

Nahazo dabilio miisa 80


  • Zoma 22 Martsa 2024

Nahazo dabilio vaovao miisa 80 ny sekoly ambaratonga fototra ao Ampitatafika Vaovao,

Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. Tonga nanolotra izany tamim-pomba ofisialy teny an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano Alain Ratsimbazafy, izay mety mbola ho kandida ihany raha izao fihetsiketsehany izao. Amiko hoy izy mendrika ny hisitraka fanohanana sy fanampiana ny zaza Malagasy satria izy ireo tokoa no hoavin'ny firenena ka izany indrindra no nanosika ahy hikatsaka mandrakariva izay hanasoavana sy hanampiana azy ireo ara-pitaovana. Izany no tontosa moa dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina sy ekipany ary koa ny ireo talen-tsekoly sy mpanabe ao amin’ny ZAP Ampitatafika. Tsiahivina moa fa efa notoloran’ity solombavambahoaka ity dabilio tahaka izao ihany kkoa ny lisea "Rafotsy Rabodo", izay hany lisea tokana ao anatin’ny Kaominina Antanetikely-Ambohijoky, mbola distrikan’Atsimondrano ihany.
Pati
Legende : Faly aoka izany ireto ankizy madinika ireto nandray ny dabilio vaovao avy amin’Ingahy solombavambahoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT