Fampianarana

EPP Ampefiloha Ambodirano Tena nahomby ny tetikasa fambolena an-drenivohitra


  • Alakamisy 10 Janoary 2019

Azo tsapain-tanana ny fahombiazana ka vokatra tsara avokoa no azo tamin’ny fambolena tamin'ny tetikasa " fambolena an-drenivohitra", na “agriculture urbaine”, izay nokarakarain'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA),

 

 

 

 isaky ny EPP manerana an' Antananarivo Renivohitra. Hita nisongadina tao anatin'izany ny EPP Ampefiloha Ambodirano boriborintany faha-4. Raha tsiahivina, iray volana lasa izay no nanomboka namboly ny ekipa avy tao amin'io  EPP io ka tonga amin'ny fotoam-piotazana ny vokatra izy ireo ankehitriny. Anisan’ny tena vokatra be ny anana. Hisitraka ny vokatra avokoa ireo ankizy mpianatra eny amin'io Epp io manomboka amin'ny fidirana amin'ny herinandro. Hahazo tohana ara-tsakafo izy ireo ho entina hamakivaky indray ny taom-pianarana. Tanjona tamin’ny tetikasa ny hanampiana ara-tsakafo ireo ankizy mpianatra eny amin'ny EPP, ary hampandraisana anjara ihany koa azy ireo amin'ny fitiavana fambolena sy ho fiarovana ny tontolo iainàna.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT