Fampianarana

EPP Ambohijafy I sy II Nahazo efitrano fianarana vaovao


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Tontosa omaly alarobia 03 martsa ny fitokanana ny efitrano fianarana vaovao teny amin’ny EPP Ambohijafy I sy ny EPP Ambohijafy II,

 

samy ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Ahitana efitrano miisa 6 ny an’ny EPP Ambohijafy II raha miisa 7 kosa ho an’ny EPP Ambohijafy I miaraka amin'ny trano fivoahana. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan'ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Madagascar Developpement Fund, vatsian’ireo fianakaviana any ivelany vola. Tonga nanotrona izany fotoana izany ny senatera Ramanambitana Richard sy ny tale jeneraly misahana ny pedagojia eo anivon’ny minisitera Raoniherijaona Andriamiakatsilavo ary ireo olo- manan-kaja maro sivily sy miaramila. Nisy ihany koa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT