Fampianarana

EPP Ambohijafy I sy II Nahazo efitrano fianarana vaovao


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Tontosa omaly alarobia 03 martsa ny fitokanana ny efitrano fianarana vaovao teny amin’ny EPP Ambohijafy I

 

 sy ny EPP Ambohijafy II, samy ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Ahitana efitrano miisa 6 ny an’ny EPP Ambohijafy II raha miisa 7 kosa ho an’ny EPP Ambohijafy I miaraka amin'ny trano fivoahana. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan'ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Madagascar Developpement Fund, vatsian’ireo fianakaviana any ivelany vola. Tonga nanotrona izany fotoana izany ny senatera Ramanambitana Richard sy ny tale jeneraly misahana ny pedagojia eo anivon’ny minisitera Raoniherijaona Andriamiakatsilavo ary ireo olo- manan-kaja maro sivily sy miaramila. Nisy ihany koa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT