Fampianarana

EPP Ambodivondava Hahazo tohana avy amin’ny Association Zazakely


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Nivoaka tany ivelany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora Randriantsoa Jimmy niaraka tamin’ireo delegasiona ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Tsy nitondra tanam-polo izy nandritra ny diany fa nijery manokana izay hahasoa ny vahoakan’Alasora. Ankoatra ny resaka fandriampahalemana dia nomeny sehatra manokana koa ny lafin’ny fanabeazana izay efa tena nahafantarana azy ireo. Fantatra tamin’izany ary hahazo tohana ny EPP Ambodivondava amin’ny alalan’ny Association Zazakely ao amin’ny kaominina Grande-motte (Hérault - France) ao La Frantsa. Ankoatra ny seza, dabilio, ny boky, solosaina hohampiasain’ny mpampianatra…dia mety hisy ihany koa ny fifanakalozana mpampianatra eo amin’ny EPP Ambodivondava sy ny EPP ao Grande motte izay tanjona lavitr’ezaka raha araka ny nambaran’ny Ben’ny tananan’Alasora. Hisy ihany koa moa ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo polisy monisipaly ao Alasora sy ny polisy kaominaly any Grande motte. Nisy ny fihaonan’ny Ben’ny tanana roa tonta nanapahana izany izay hialohan’ny fanolorana fanamiana ho an’ireo polisy monisipaly ao Alasora ato ho ato.
Pati
Legende : Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Ben’ny tanana roa tonta
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT