Fampianarana

EPP Ambihy-Arivonimamo II Nanateran’ny depiote Rodin dabilio sy solon-tsakafo


  • Alarobia 01 Martsa 2017

Nasiam-panatsarana ny EPP Ambihy, distrikan’Arivonimamo II. Dabilio miisa 21, vola hoenti-mampihodina ny “cantine scolaire”

ary fanampiana ho fanatsarana ny efitrano fidiovana, no natolotry ny depiote TIM Rakotomanjato Rodin ny sekoly sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny sabotsy 25 febroary teo. Tsy afa-nanitatra ny ray aman-drenin’ny mpianatra noho ny vesatra amin’ny fiantohana ny karaman’ny mpampianatra FRAM. Efa an-taonany ihany koa no nitsahatra ny fanomezana sakafo ho an’ny ankizy teo anivon’ity sekoly ity, nefa lavi-podiana ny ankabeazan’ireo mpianatra. Taorian’ny fidinany nijery ny zava-nisy dia nanolotra fitaovana sy vola ny solombavam-bahoaka voafididy tao Arivonimamo, Rakotomanjato Rodina. Tanjona ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ampiasain’ny mpianatra, izay efa mihasimba ary ny fampirisihina ireo ankizy hazoto hamonjy sekoly. Tsy tokony hojerem-potsiny ny fahoriana mianjady amin’ny zanaka Malagasy, hoy izy. Taninketsan’ny firenena ny sekoly nefa tsy mametraka azy ireny ho laharam-pahamehana ny fitondram-panjakana. Saika mijaly avokoa ny ankabeazan’ireo zaza manovo fahalalana eny anivon’ireny sekoli-panjakana ireny ho an’ny faritra ambanivohitra sy lavitr’andrina, raha ny fanazavana hatrany.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT