Fampianarana

EPP Ambanidia Nahazo fitaovana nomerika ihany koa


  • Talata 22 Desambra 2020

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fametrahana ilay sekoly nomerika ny Solidarité

 

 

 

Orange sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’izao. Taorian’ny CEG Anosibe sy Antanimbarinandriana izay nisantarana ny famatsiana ireo fitaovana mifandraika amin’izany dia nahazo ny anjarany ihany koa ny EPP Faliarivo Ambanidia ny faran’ny herinandro teo. Tablety miisa 23 no natolotra ny mpianatra raha nomena solosaina, projecteur…. ihany koa ny sekoly. Tanjon’ny roa tonta ny hampiakarana ny fahaizan’ny mpianatra mba tsy ho mena-mitahy amin’ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta ankoatra ny fampiakarana sy fanatsarana ny voka-panadinana CEPE ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy. Tsiahivina moa fa sekoly miisa 143 no efa novatsian’ny Solidarité Orange fitaovana nomerika tahaka izao hatramin’izay, hetsika izay mbola hitety toerana maro eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT