350 isa monja tamin’ireo mpianatra miisa 2.700 nifaninana hiditra ao amin’ny taona voalohany hiofana ho mpampianatra eo anivon’ny ENS Ampefiloha no fantatra fa voaray hanohy ny fianarany ao amin’ny taona voalohany manomboka amin’ity taona 2018 ity.
Omaly izy ireo no naseho vahoaka tetsy amin’ny Plaza Ampefiloha, tafiditra ao anatin’ny herinandron’ity sekoly ambony manofana ho mpampianatra eto amintsika ity. Nambaran’ny profesora Randrianiriana Paul, talen’ny fampianarana tamin’izany noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa handraisana ireo mpianatra no antony nampihenana io isa io. Tanjon’izy ireo lavitra ezaka ny hampitomboana ny fotodrafitrasa efa misy ankoatra ny fampidirana ilay taranja vaovao “science économie et sociale” izay efa hampianarana ireo mpianatra eny anivon’ny lisea ankehitriny. Narahina fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpampianatra nahavita be teo anivon’ny sekoly izany. Miisa sivy mianadahy izy ireo. Toraka izany koa ireo 14 mianadahy hafa izay notolorana mari-boninahitra toy ny grand officier, ny commandeur de l’ordre ary ny chevalier de l’ordre national. Hofaranana amin’ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana teny anivon’ny ENS ny lanonana amin’ny zoma ho avy izao. Mari-pahaizana bakalorea no takiana amin’ireo mpianatra maniry ny hiofana ho mpampianatra eo anivon’ny ENS. Hisy ny fifaninanana an-tsoratra sy am-bava mandritra izany ary ireo taranja hampianarana ireo ankizy any an-tsekoly no hanofanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.