Fampianarana

ELIDIO RANDRIANJAFY, FILOHAN’NY ANEFFA Nalana tsy ho talen’ny EPP etsy Anosizato Andrefana


  • Alakamisy 16 Martsa 2017

Nalana tsy ho talen’ny sekoly ambaratonga fototra etsy Anosizato Andrefana intsony Andriamatoa Randrianjafy Elidio, filohan’ny ANEFFA. Efa ho folo andro izay no nanalana azy tamin’io toerana io raha ny loharanom-baovao azo.

 Mbola tany am-panaovana fiofanana izy no nantsoina an-telefaonina. Tsy niandry ela fa andro iray taorian’ny nanalana ny filohan’ny ANEFFA tamin’ny toerany dia tonga ny mpisolo toerana azy ary dia natao vonjimaika ny famindram-pahefana. Anisan’ny nanalana azy  tamin’ny toerany  ny fahafahantarana fa mpikambana ao amin’ny antoko  MAPAR izy ary mikasa ny hilatsaka hofidiana eny amin’iny faritra iny rehefa tonga ny fotoanany. Hatramin’ny fotoana nahazoana ny vaovao dia tsy mbola nahazo ny toerana tokony hanendrena azy ity filohan’ny ANEFFA ity. Ny feo mandeha dia mety any Ankazobe no hanendrena azy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka BakalĂ´rea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT