Fampianarana

Eliana Bezaza « Foano ny fanadinana amin'ity taona ity »


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Hisy ny fanadinam-panjakana ary nampahafantatra ireo daty ofisialy hanatanterahana izany ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery ny alin’ny alahady 12 jolay 2020.

 Hatao ny 1 septambra 2020 ny CEPE. Ny 14 ka hatramin’ny 17 septambra 2020 ny BEPC ary manomboka ny 5 oktobra 2020 ny bakalôrea. Naneho hevitra mikasika io fanadinam-panjakana io ny antoko PSD tamin’ny alalan’i Eliana Bezaza, Sekretera nasionaly. « Raha ny hevitray dia foano ny fanadinana amin'ity taona ity », hoy ity farany. Ny antony, dia tsy mazava ity resaka « pic » ity izay fotoana maha-maro indrindra ny olona tratran'ny valanaretina. Efa ao anatin'ny « pic » indrindra ny daty voalaza fa hanaovana CEPE sy BEPC. Ny « pic » ao Analamanga tsy voatery ho « pic » any Anosy na ao Atsimo-Andrefana na any Boeny. Ao anatin'ny fanjavozavoana tanteraka isika ka sarotra ny manao programa mazava ho an'ny zaza Malagasy rehetra fa mety hiovaova foana io programa io ka tsy hilamina na ny sain'ny ray aman-dreny, na ny sain'ny hanao fanadinana, na ny sain'ny mpampianatra. Tsy vitan'izany, fa ny fikirakirana taratasy dia mamindra ny otrik'aretina, dia ahoana ny fiarovana amin'izany, nefa taratasy ranoray no hokirakiraina amin'ny fanadinana ? Koa raha betsaka ny mpianatra mitondra otrik'aretina dia tsy ho voa koa ve ny mpitsara eran'i Madagasikara ? Ka lasa ny fanadinana indray no hanaparitaka ny otrik'aretina amin'ny toerana rehetra, sanatriavina izany. “Gouverner c'est prévoir” hoy ny vahiny ka tsy tokony hidirana na kely akory ny zavatra rehetra mampiahiahy, hoy hatrany ny Sekretera Nasionalin'ny antoko PSD. « Aoka isika tsy hiodikodina na handany fotoana fa ity fahavalo ity tsy mandefitra amin'ny goragora, kolikoly sy tetika ambadika. Manaova “trêve politique”, afatohy ato amin'ny fitsaboana sy ny toe-karena ho an'ny Vahoaka ny saina manontolo. Omeo karama sy fitaovana ampy ny dokotera sy ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra, hoy hatrany i Eliana Bezaza. 


Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT