EFA MANAKAIKY NY FOTOAM-PANADINANA

« Tsy mety ho an’ny mpianatra ny tsy matory mihitsy »


  • Alarobia 28 Mey 2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

ny fanadinam-panjakana CEPE raha fotoana vitsy aorian’izay ny BEPC. Tsy vitsy amin’ireo mpiadina no miezaka mianatra mafy noho izany ka misy tsy nahafoy torimaso manontolo mihitsy ny sasany. Raha araka ny fanazavan’ny Dokotera Rakotonoelina Domoina anefa dia tena tsy azo hatao mihitsy izany. Mila matory ny mpiadina na dia ora 4 isan-kalina ihany aza.Ankoatra izay hoy izy dia tsy tsara ny mihinana fanafody mampisy fitadidiana na memoire fa vao manomboka ny taom-pianarana dia efa tokony arahin’ny Ray aman-dReny maso tsara ny fianaran-janany. Mihinana sakafo tsara sy vaovao ary miovaova koa, arahin’ny fisotroana rano sy fanaovana fanatanjahantena na dia amin’ny alalan’ny dia an-tongotra fotsiny ihany aza. Fadiana hoy izy nanafatrafatra ny manome rongony ny mpiadina mba hampatanjaka sy hananany fitadidiana ary hahafahany miari-tory mba hahaizany lesona. Misy Ray aman-dReny manao izany raha ny nambarany. Toraka izany koa ny fisotroana ireo karazana zava-pisotro mampatanjaka.
Pati
Legende : Ny Dokotera Rakotonoelina Domoina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT