Fampianarana

Education pour Tous Ankizy 24 000 no niverina an-tsekoly tao anatin`ny 3 taona


  • Zoma 30 Novambra 2018

Hatramin`ny taona 2015, ankizy 24 000 isa no tafaverina an-tsekoly, 70.000 isa kosa no nahazo sakafo mafana, mpampianatra miisa 9.600 notolorana fitaovana hoenti-mampianatra ary efitranon-tsekoly miisa 128 no voaorina vokatry ny fanohanan`ny firenena norvezianina ny seha-panabeazana.

 

 

 

 Ho an’ny taona 2019, vola maherin’ny 6 tapitrisa dôlara no natolotr’ity firenena ity, hanatanterahana an’ilay tetikasa “Fanabeazana ho an’ny rehetra eto Madagasikara” (Education pour tous à Madagascar). Faritra anisan’ny marefo indrindra eto Madagasikara i Androy, Anôsy ary Atsimo Andrefana, raha ny eo amin’ny lafiny fanabeazana. Any amin’ireo faritra ireo mantsy no ambany indrindra ny tahan’ny tsy fidiran’ny ankizy an-tsekoly. Araka izany, dia nanamafy ny fiaraha-miasany amin’ireo rantsa-mangaika telon’ny Firenena Mikambana eto amintsika ny governemantan’i Norvezy, dia ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), ny Birao Iraisam-pirena momba ny Asa ary ny Fandaharan’Asan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo ( PAM). Nisaotra manokana ny governemanta nôrvezianina Atoa Michel Saint-Lot, solontena maharitry ny UNICEF eto amintsika, nandritra ny fifanaovan-tsonia notontosaina omaly teny Andraharo, satria tena zava-dehibe izao fanohanana izao ary efa nahitam-bokany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT