ÉDITIONS TENY

Namoaka ny boky


  • Alakamisy 04 Desambra 2025

Vakoka ho an'ny ankizy sy ny tanora

Namoaka boky miisa roa ny Éditions Teny, tarihin-dRazafimamonjiraibe Fano. Momba an'i Jacques Rabemananjara izay poeta sy mpitolona nafatra-po teto amin'ny tany sy ny Firenena ny iray raha momba an'i Jean Joseph Rabearivelo ny faharoa ilay Poeta miroa tontolo. Betsaka tokoa mantsy raha tsiahivina ireo ankizy sy tanora mbola tsy mahalala tsara ireo Poeta miisa 2 ireo sy fiainana nodiaviny, antony nanosika ny edisiona Teny nisafidy azy ireo manokana. 55.000 Ar isanisany ny vidin'ny boky, misy pejy 36 isa Tsy vitanay irery ny nanonta ny boky sy ny karaman'ny mpanoratra hoy Razafimamonjiraibe ka nanosika ny Fonds Yavarhoussen hanampy anay. Tanjona amin'izao famoaham-boky nataon'ny edisiona Teny izao ny mba hahafahana mampitombo ny fahaizana amam-pahalalan'ireo ankizy sy tanora eto amintsika, indrindra fa mikasika ny tantaram-pirenena sy ny resaka kolontsaina mampiavaka ny Malagasy. Efa hita miparitaka manerana ireo toeram-pivarotam-boky maro eto amintsika ireo boky ireo. Omaly Alarobia 03 Desambra no namoahana sy nampahafantarana ny fivoahany tamim-pomba ofisialy.
Pati
Légende : Izy no Razafimamonjiraibe Fano, filoha mpitantana ny Éditions Teny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT