ÉCOLE PRIMAIRE PERE PEDRO MAHATSARA

Afaka CEPE avokoa ireo mpianatra 110 isa


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

miisa 110 ireo mpianatra nanala fanadinana C.E.P.E tao amin'ny École Primaire Père Pedro Mahatsara

ka afaka soa aman-tsara. Tonga avokoa ny mpiadina rehetra tamin’ny andron’ny Talata 18 Jona lasa teo nanatanterahana ny fanadinana rry rehefa nivoaka ny valiny dia 100% izany. Tsy nisy latsaka izy 110 mianadahy nandray anjara izay marihina fa zanak’ireo olona sahirana ara-pivelomana hampiana sy tohanan’ny Mompera Pedro. Tsiahivina moa fa hiantohana trano avokoa ireo olona sahirana ao an-toerana. Ampian’ny Mompera Pedro koa izy ireo mba hivoatra sy hisondrotra amin’ny fiainana arahin’ny tohana ara-tsaina mba tsy hampiraviravy tanana azy ireo amin’ny fampianaran-janaka tahaka izao, hahafahana mandresy ny habadoana sy ny fahantrana.
Pati
Legende : Nahomby avokoa ireo mpianatra avy ao amin’ity sekoly iray tohanan’ny Mompera Pedro ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT