Fampianarana

Ecole de coupe et couture Volana Namoaka ny andiany Miakanjo tsara faha-25


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Namoaka ny andiany Miakanjo tsara faha-25 ny Ecole de Coupe et Couture Volana. Miisa 214 mianadahy izy ireo no navoaka ny faran’ny herinandro teo ka ny folo dia lehilahy avokoa.

 
  Anisan’ireo mpianatra efa nampiharana ilay fomba fampianarana vaovao eo anivon’ny ECCOVA  izy ireo, hoy Razanamanalina Volana filoha mpanorina ny sekoly.  Tratra ny tanjona nametraka  tamin’ireto mpianatra navoakany ireo, hoy hatrany izy. Samy afa-panadinana avokoa mantsy izy ireo nandritra ny fanadinana nampanaovin’ny fanjakana azy na teoria na fampiharana, miaraka amin’ireo mpianatry ny Eccova manerana ny Nosy.  Anisan’ny  nampianarana azy ireo  ny fanaingoana ny atin-trano, ny poketra sy ny kiraro ary ny lamaody amin’ny ankapobeny. Mbola hitohy any amin’ny faritra izao famoahana mpianatra izao ka ao Moramanga no hanohizana izany ny fiandohan’ny volana jolay ho avy izao. Ny 2, 6, 7 jolay ho avy izao ny fidirana manaraka raha toraka izany koa ny volana aogositra. Efa misokatra ihany koa ny fisoratana anarana ho an’ireo te hanaraka fiofanana mandritra ny vakansy lehibe.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT