Fampianarana

ECCOVA Niatrika fiofanana ireo mpampianatra manerana ny Nosy


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Nifarana tamim-pomba ofisialy omaly zoma 23 martsa tetsy amin’ny ECCOVA Analakely ny fiofanana natrehin’ireo mpampianatra manerana ny Nosy ho fanatevenana ny faripahaizan’izy ireo.

 Miisa 24 mianadahy izy ireo izay manana tanjona hampivoatra  sy hanatsara hatrany ny fiofanana omena ireo mpianatra rehetra  izay efa tafakatra 18.000 isa tao anatin’ny 24 taona  nijoroan’ny ECCOVA. Mivoatra hatrany mantsy ny fitiavan’ny Malagasy ny lamaody, hoy Razanamanalina Volana  ka  ilana fandavan-tena ihany koa izany. Ankoatra izay hoy izy dia tsy matahotra ny akanjo friperie sy ny vita Sinoa izahay satria afaka mamorona tsara sy mifantina izay lamba tiany ny mpianatra mba hamoahana lamaody vaovao sy manaraka ny toetr’andro hatrany. Ankoatra ny fanofanana olona hiasa amin’ny orinasa afaka haba,  dia manofana olona hanamboatra kiraro sy poketra, manao décoration ary mpanjaitra lamaody ihany koa ny ECCOVA. Amin’ny 3 sy 7 ary 9 aprily ho avy izao indray ny fidirana manaraka. Zava-baovao be moa no hoentin’ny ECCOVA ho an’ny mpianany rehetra ao anatin’ny fankazany ny faha-25 taonany amin’io taona ho avy io.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT