Fampianarana

ECCOVA Nanofana mpianatra 18.000 tao anatin’ny 25 taona


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Ivontoerana mampianatra zaitra miezaka miady amin’ny fitobahan’ny friperie sy manome vahana ny vita Malagasy eto amintsika ny Eccova.

 

Hatramin’izay 25 taona  nisiany izay dia mpianatra miisa 18.000 no efa navoakany, vehivavy sy lehilahy vonona ny hanatsara ny fidiram-bola ao an-tokantranony. Hankalaza ny faha-25 taona nijoroany ny Eccova amin’ity taona ity. . Fotoam-pivavahana lehibe hotanterahina ao amin’ny fiangonana Fjkm Antanimena Atsinanana no hanokafana ny fankalazana amin’ny sabotsy 02 martsa ho avy izao, hotronin’i Mialy Rakotomamonjy sy ny vondrona Laurent Rakotomamonjy izay namorona ny hira fanevan’izy ireo. Hitohy amin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2019 ny lanonana ny folakandro, hetsika hotanterahina ao amin’ny kafetarian’ny Esca Antanimena. Miantso ireo mpianatra, ray aman-drenin’ny mpianatra ary ny maintolalin’ny sekoly sy ireo mpankafy ny Eccova rehetra  ny filoha tale jeneraliny mba ho avy hanotrona azy ireo amin’io fotoana io. Ny 08 jona ho avy izao moa no ivon’ny fankalazana izay hatao eto Antananarivo ihany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT