Fampianarana

ECCOVA Hanampy ny tanora amin’ny fitadiavana asa


  • Zoma 29 Jona 2018

Anisan’ny olana sedrain’ny tanora maro manerana ny Nosy ny tsy fahitana asa, eny fa na dia ho an’ireo nahavita fianarana aza.

 Vonona ny hanampy an’ireny tanora ireny ny Ecole de Coupe et Couture Volana na ny ECCOVA, tarihin-dRazanamanalina Volana. Ho azy ireo mantsy, ny fanofanana arak’asa dia anisan’ny lalana iray ahafahan’ny tanora mamorona asa ho an’ny tenany, fa tsy voatery hiasa aman’olona foana. Lalana iray hahafahana mampiroborobo ny vita malagasy, hoenti-miady amin’ny fitobaky ny « friperie » ihany koa, ny fanofanana mpanjaitra matihanina,  izay nomarihiny manokana fa  tsy anavahana na lahy na vavy. Hitondra paikady vaovao entina hanatsarana ny fanofanana ny mpianatra hatrany izy ireo, araka izany, hetsika izay efa natombony tamin’ny fiandohan’ny taona. Ankoatra izay dia hohatsaraina hatrany koa ny fitsipika mifehy ireo mpianatra, mba hahazoana vokatra tsara sy mahomby. Marihina moa fa anisan’ireo mpianatra efa nampiharana ilay fomba fampianarana vaovao ireo havoaka anio eny Ampitatafika. Mpianatra an-jatony no ao anatin’ity andiany ity.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT