Fampianarana

DREN Bongolava Misy maka ny volan'ny mpampianatra


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Hafahafa ny zava-nitranga tany Bongolava momba ny vola fanampiana ho an’ny mpampianatra na "Subvention"

.Voakasik’izany ireo noraisina ho mpiasam-panjakana 6ème vague (2019-2020) .Ao anatin'ny "bordereau déscriptif" tsara ny anaran'ireo mpampianatra ireo ary tamin'ny 3ème bimestre nandray ny vola tsara ireo mpampianatra saingy tamin'ny 4ème bimestre dia tsy nahazo ny volany satria efa nisy naka izany, hono. Tsy hita ny "bon de caisse"n'izy ireo ary voalaza fa efa nisy naka ny volany. Etsy ankilany fantatra fa misy mandatsaka baiko sy tsindry amin'ny talen'ny CEG ihany koa ao Bongolava ao raha ny fantatra satria dia manolotra olona terena raisina ho mpampianatra Fram miasa an-tsitrapo. Kanefa ny baiko avy amin'ny minisitra dia hentitra, tsy azo atao ny mandray mpampianatra Fram. Ilay olona terena raisina rahateo voalaza fa tsy manana "autorisation d'enseigner" akory no sady tsy nanaraka ny fiofanana manokana takian'ny fampianarana eto amintsika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT