Fampianarana

DREN Analamanga Tsy mianatra ny mpianatra anio 9 marsa


  • Alakamisy 09 Martsa 2017

Nahazo fanairana loko mena ny faritanin’Antananarivo, misy faritra efatra dia Analamanga, Vakinankaratra, Bongolava ary Itasy.

Efa nahazo toromarika ireo tompon’andraikitry ny fampianarana eny anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco), sy foibem-paritry ny fampianarana (DREN) fa tsy mianatra ny mpianatra anatin’ireo faritra mahazo fanairana loko mena manerana ny Nosy. Voakasik’izany Analamanga. Tsy mbola mianatra araka izany ny mpianatra anio alakamisy 9 marsa ato amin’ny DREN Analamanga. Fa anisan’ny nitondra faisana tamin’ity rivodoza Enawo ity ny sehatry ny fampianarana. Raha ny tarehimarika vonjimaika nomen’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul omaly hariva dia efitranon-tsekoly miisa 13 no rava, 20 nisy fahasimbana, 28 niendaka ny tafony. Sekoly 2 rava tanteraka, 9 hafa dibo-drano. Mpianatra miisa 2 namoy ny ainy ary mpampianatra iray niditra hopitaly.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT