Fampianarana

DREN Analamanga Miverina manontolo ny fampianarana manomboka anio


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Miverina mianatra avokoa ireo mpianatra rehetra manerana ny DREN Analamanga manomboka anio alakamisy 23 febroary.

Voakasik’izany avokoa ireo fari-piadidiam-pampianatra miisa 8 toy ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohitradrimo, Manjakandriana, Ankazobe, Anjozorobe ary Andramasina ho an’ny garabola, ny sekoly ambaratonga fototra, ny sekoly ambaratonga faharoa ary ny lisea miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Raha tsiahivina kely moa dia anisan’ny antony nandraisana ireo fanapahan-kevitra izao ny fahafantarana fa efa nivoaka an-dranomasina omaly tamin’ny 03 ora folakandro tany amin’ny 71 km atsimon’i Morombe ilay rivo-doza Freddy. Mihamanalavitra hatrany ny morontsirak’i Madagasikara izy raha 35 km isan’ora kosa ny hafainganam-pandehany. Faritra maro araka izany no afa-doza tanteraka. Mikasika ny fankalazana ny andron’ny sekoly manokana moa dia nanambara ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa tsy manova izay lamina efa napetraky ny sekoly tsirairay izy ireo. Na izany aza tsy miova kosa ilay fotoam-pialan-tsasatra voatondro ao anatin’ny tetiandrom-pampianarana izay hanomboka ny 27 Febroary ho avy izao ka hatramin’ny 03 Martsa. Azo tanterahina tsara ao anatin’io herinandro io araka izany ny fanenjehana ireo fandaharam-pianarana tsy tratra ho an’ireo izay tsy maintsy manao izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT