ny manam-pahaizana no fanalahidy ! »
Ny depiote sady mpampianatra-mpikaroka Dr Todisoa Andriamampandry no Ray mpiahy ara-pedagojika ny andiany Soatilo izay nahazo ny mari-pahaizana « Licence » sy Fanilo Mamiratra nahazo ny « Master » teo anivon’ny Sampana Haifiarahamonina na ny Sociologie izay navoaka teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny zoma teo. Nanome voninahitra izany ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael. « Sambany eto amin’ny tantaran’ny oniversite no nisy Filoham-panjakana tonga manome voninahitra ny famoahana mpianatra, izay mariky ny finiavanao sy ny fandavan-tena anananao, ary midika fa ataonao laharam-pahamehana ny fampianarana eto Madagasikara », hoy i Dr Todisoa Andriamampandry. Nambarany fa tena lakilen’ny fampandrosoana sy ilain’ny Firenena ny manam-pahaizana ka anisany ny « sociologue ». Namoaka olona maro ny lalàm-piofanana sociologie, izay efa maro no misandrahaka amin’ny sehatra maro na eto an-toerana na iraisam-pirenena: banky iraisam-pirenena, FMI, PNUD, PAM, UNUCEF,… Maro ny nanagana ONG na orinasa, maro no lasa mpitondra firenena,… Mandinika ny fiarahamonina, ny fiainam-pirenena, ny tontolo politika, koltoraly,… ary tadidio fa izahay no isan’ny fanalahidin’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany. Matoa ny Firenena, hoy izy, dia mbola mahantra sy sahirana dia ilaina ny mpandinika ny fiarahamonina mahalala ny olana sy ny vahaolana tokony hilain’ny Firenena. Nambarany fa vonona hanome tànana ny Fanjakana ny « sociologue » satria tsy manaraka ny toetr’andro intsony programam-pampianarana, miainga any ifotony hatraty an-tampony. Nahitsy izy naneho fa potika ny fampianarana, tsy misy intsony ny « éducation civique », tsy mahalala akory ny tantara teto ny mpianatra, tsy ampianarina ny harena sy ny zava-misy eto hahafahany mitrandraka ny harena izay misy ao aminy, mamorona asa ho azy sy ny fiarahamonina misy azy. Tokony hapetraka ny « Plan national de l’éducation », ary tokony hisy foana ny fanohizana ireo zavatra hita fa tsara sy ny fitohizam-pahefana, fa tsy izay napetraka dia potehina, toy ny nataon’ny Fanjakana teo aloha. Ho avy ny « concertation nationale » ka vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny lafiny maro : angovo, fanabezana, toekarena, tontolo iainana, volam-panjakana,… ny « sociologue », izay nanipika fa ilaina foana ny fifampiresahana ho an’ny Firenena, zava-dehibe io ahahafana manavotra, manangana zavatra iray vaovao ho an’ny tany sy ny Firenena,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.