Fampianarana

Dr Sahondrarimalala Michelle Hitsabo ny Fanabeazam-pirenena ?


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Lasa vehivevy, misolo vehivavy. Vehivavy telo izao no nifandimby nitantana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena hatramin’ny niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana.

 

 

 Nisantatra azy i Volahaingo Marie Thérèse. Difotra tao anatin’ny raharaha « panier garni » tokony nisitrahan’ny mpiasan’ny fampianarana ny fitantanany. Notendrena nasolo azy Rijasoa Iarintsambatra Andriamanana Josoa. Avy any amin’ny tanin’ny « dollar » izy no tonga taty amin’ny « Ariary », araka ny filazany. Rendrika tao anatin’ny raharaha « bonbon sucette » mitentina 8 miliara Ariary, tsy hita izay tohin’ny fanadihadiana hatramin’izao, koa anefa ny fitantanany ny fanabeazam-pirenena. Nisahana vonjimaika, nanao fampandehanan-draharaha tao ny minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa Pr Assoumacou Elia Béatrice. Voatendry ankehitriny Dr Sahondrarimalala Marie Michelle. Dokotera mpitsabo sady Mpitsara ity farany, zanaky ny Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa. Nanantena ireo teknisianin’ny fampianarana mba ho olona avy amin’ny sehatry ny fampianarana no notendrena amin’io toerana io. Antso an’efitra anefa ny azy ireo. Asa maika miandry ny minisitra vaovao ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eo koa ny Bacc araka ny daty efa voafaritra, na misy aza ireo sendika nanolo-kevitra ny tokony hanemorana azy. Eo ny tambikaraman’ireo mpampianatra FRAM izay misy efa 12 volana ny an’ny sasany no tsy azo. Tsy mampifanara-kevitra ny politikan’ny fanabeazana sy ny tetiandrom-pampianarana. Maro ireo aretina sy zava-mikiky ny Fanabeazam-pirenena, ary efa nanaovan’ireo sendika samihafa fanairana matetika. Ministera be sendika ao amin’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mitsitsy izay minisitra manidy varavarana amin’ny fifampiresahana ny sendika ao. Misy ireo milaza fa diso fanantenana tamin’izao fanendrena minisitra izao, ny hafa mirary soa ary « Maniry ny hiaina rivo-baovao ny fanabeazana », hoy Ratolojanahary Arsene, filohan’ny sendika SEMPAMA Nosy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT