Hotanterahina manomboka ny datin'ny 21 Jolay ho avy izao ny fanadinam-panjakana
Bakalorea manerana ny Nosy. Mbola tena ao anatin'ny famerenana mafy tanteraka araka izany ny ankamaroan'ireo mpiadina. Na izany aza anefa dia nambaran'ny dokotera Hary Rakotondratrema Michel eo anivon'ny Espace santé Saint Michel etsy Andravoahangy sy Ambohimangakely fa tsy azo hatao intsony ny miari-toribe amin'izao faramparany izao. Raha mirava amin'ny 06 ora hariva ohatra ny mpiadina iray dia mila miala sasatra ny sainy mandritra ny ora roa aorian'izany. Afaka mamerin-desona na mianatra indray ilay mpiadina manomboka amin'ny 08 ora ka hatramin'ny 10 ora alina ary mifoha indray amin'ny 04 ora maraina. Mba tsy hahavery ny fitadidiana sy hilaminan'ny fifantohana no nambaran'ity dokotera ity fa anton'izany. Ankoatra izay dia notsindriany manokana fa tsara raha mihinana karazan-tsakafo vita amin'ny soja ny mpiadina ho fikoloana ny fitadidiany. Tsy latsa-danja amin'izany ny fihinanana trondro sy hena, ny voamaina toy ny tsaramaso ary ireo sakafo maro loko ahitana ny voankazo sy ny legioma. Hanampy betsaka amin'ny fiarovana amin'ny gripa mahery aterak'izao toetr'andro mangatsiaka izao ho an'ireo mpiadina ihany koa moa ny fihinanana izany hoy hatrany dokotera Hary Rakotondratrema Michel. Tsiahivina moa fa mampiteraka, manao ekografia, mijery maso ary mitsabo ny aretina ankapobeny rehetra ny Espace Santé Saint Michel.
Pati
Légende : Izy no dokotera Hary Rakotondratrema Michel, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny Espace santé Saint Michel !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.