DOWN SYNDROME MADAGASCAR

Ankizy trizomika 21 nahavita fiofanana ara-informatika


  • Talata 10 Jona 2025

Andro niavaka ho an’ireo ankizy manana toe-tena trizomika 21 ny andron'ny

Sabotsy 07 jona lasa teo. Ankizy mpianatra miisa 8 mantsy no navoaka tamim-pomba ofisialy rehefa avy niofana momba ny fikirakirana solosaina na informatika. Naharitra 7 herinandro nisesy ny fiofanana natrehiny, mpianatra avy ao amin’ny fikambanana Down Syndrome Madagascar. Nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny fianarana fototra momba ny tontolo nomerika izy ireo raha miisa 10 teny am-piansohana. Misalotra ny anarana hoe “TSY ATOA” ity andiany indray mihira ity. Na saro-pantarina aza ny fomba fampitana ny lesona noho ny fahasamihafan'ny fahaiza-mandray hoy ny tompon'andraikitra dia vita soa aman-tsara ihany izany. Nilaza kosa ireo mpampiofana fa nampiharina matetika ny famerimberenana nahafahana nampita fahalalana tamim-paharetana sy fahaiza-miara-miaina. Araka ny fanazavan-dRtoa Razafinjatovo Daniela Laza, filoha mpanorina ny fikambanana, dia eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 35 taona ireto tanora navoaka ireto. Efa mahatratra 48 kosa ireo mpikambana ao amin'ny Down Syndrome Madagascar ankehitriny. Manerana ny Nosy izy ireo ka mpilatsaka an-tsitrapo maro no manohana ny fanatanterahana ny asa fanabeazana sy fanofanana. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Loholon’i Madagasikara, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy,izay nanambara tenany ho vonona hifanome tanana hatrany amin'ny fanohanana ireo ankizy manana toe-tena manokana tahaka izao. Tsiahivina moa fa na dia vita aza ny dingana voalohany, dia mitohy hatrany ny fiofanana ho an’ireo tanora ireo noho ny fivoaran'ny teknolojia. Ho an'ny fikambanana kosa dia manantena fanohanana sy fanamafisana orina avy amin’ny fanjakana izy ireo ho fanomezana vintana sy fahafahana bebe kokoa ireo ankizy manan-talenta ireo. Pati Légende : Hafaliana tahaka izao ny an'ireo ankizy mpianatra navoaka !
Pati
Légende : Hafaliana tahaka izao ny an'ireo ankizy mpianatra navoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT