Fampianarana

DNELM Avaradrano Tafakatra 80 % ny voka-panadinana noho ny fanofanana ireo mpampianatra


  • Zoma 28 Febroary 2020

Tena fahombiazana no azo avy amin’ny fanofanana ny mpampianatra izay tokony hatao in-droa isan-taona raha kely. Anisan’ny andraikitra

 

 

 

sahanin’ny DNELM  (Delegation Nationale des ecoles libres de Madagascar) izany. Ho an’Avaradrano dia nahatratra 80 % ny voka-panadinana azony tamin’ny taon-dasa, raha araka  ny fanazavan-dRasoafidy Helinoro, filoham-paritra Avaradrano. Ezahin’izy ireo hotohizana hatrany ny hetsika mba tsy hionona fotsiny amin’ny fijerena boky ny mpampianatra fa ho tia karokaroka ihany koa. Nanatanteraka fambolen-kazo teny Antanetibe Ikianja, kaominina Ambohimangakely izy ireo omaly. Zana-kazo oliva miisa 510, nandraisana mpianatra 510 anjara no natsatoka tamin’izany,  avy amina sekoly tsy miankina miisa 10. Efa fanaon’ny DENLM Avaradrano isan-taona ny tahaka izao ary misy ny fanaraha-maso tanterahina afaka iray volana. Tanjon’ny DNELM Avaradrano  ny hanamaitso volo an’i Madagasikara ho tombontsoan’ny tarana faramandimby.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT