Fampianarana

« Cours » fanampiny ho an’ny mpianatra Mandeha tsara, hoy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Kely sisa dia hamarana ny telo volana faharoa indray isika ho an’ity taom-pianarana 2017-2018 ity. Miha antomotra hatrany ny fotoana hanatanterahan’ny mpianatra ireo fanadinam-panjakana maro isan-tsokajiny izay tena mila fiomanana tokoa.

 
 Anisan’ireny ny fanatanterahana ilay “cours” fanampiny karakarain’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ho an’ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy. Efa tena mandeha tokoa izy io, hoy Atoa Tsitoara Serge Thierry, talen’ny teknolojia sy ny fampitaom-baovao eo anivon’ny minisitera. Nomarihiny fa samy manana ny fomba fiasany ny  fari-piadidiam-pampianarana tsirairay avy. Tsy mitovy ny fotoana lany amin’ny “cours” fanampiny ho an’ireo toerana nahitana trangan’aretina pesta sy ireo lasibatry ny rivodoza. Efa manara-maso akaiky ny DEF ( Direction de l’Education Fondamentale) eo ambany fiahian’izy ireo, ka tsy maintsy ho vita ny fandaharam-pianarana mialoha ireo fanadinam-panjakana maro isan-tsokajiny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT