Fampianarana

Cours” atolotry ny depiote Todisoa Maherin’ny 800 ireo mpianatra tonga


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Nanomboka ny sabotsy 03 jona teo ny ilay “Cours maimampoana” atolotry ny depiote Todisoa Andriamampandry ho an’ireo tanora ao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra.

Fampanantenana efa nataony mba ho fanampiana sy fanohanana ireo tanora hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC sy Bakalorea. Ankoatra ny tan-tsoroka ara-pampianarana, maimaimpoana ihany koa ny “Polycopies” ho an’ireo mpianatra rehetra. Maherin’ny 800 ireo mpianatra nisoratra anarana sy tonga niatrika izany ny sabotsy teo, ka nirary soa ho azy rehetra sy ireo zanaka Malagasy rehetra hanala fanadinam-panjakana mba hahay sy afaka soa aman-tsara ity depiote ity. Tsy adinon’ity olom-boafidy ity ihany koa omaly alahady ny nirary soa ireo Renim-pianankaviana noho ny fetin’ny Reny omaly. “Ny Reny loharanon'aina, ny fitiavany anie tena mamy. Anio ilay fety ka dia arahabaina, ho ambinina hatrany hatrany. Ilay nian-kindrindrina irery e, nisotro ny rano tsy tiana! Misaotra ary koa mankahery, anareo Renim-pianakaviana! Mirary soa sesehena, Ho ambinim-bola aman-karena. Ho ela velona ho salama finaritra, ho ampoky ny soa, ho tahian'Andriamanitra!”, hoy ny Depiote Todisoa Randriamampandry nirary soa sady naneho an-tsary fa akaiky ary miray fo amin’ireo Reny rehetra ny tenany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT