Fampianarana

Colletif des normaliens de Madagascar Hiady ho an’ny tombontsoan’ny mpampianatra


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Hiady ho an’ny tombontsoan’ireo mpampianatra namany ny “Collectif des normaliens de Madagascar”na ny fikambanan’ireo mpampianatra nahavita fiofanana izay nanatanteraka kongresy tetsy Ampefiloha ny sabotsy teo.

 

 

 

 Nambaran’ny solontenan’izy ireo tamin’izany fa tsy mbola vita ny tolona ho an’ny mpampianatra mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Raha 500.000 Ar mantsy ny indemnité izay nangatahin’izy ireo tamin’ny Fitondram-panjakana  dia vao 50.000 Ar  monja hatreto no tonga eny am-pelatanan’izy ireo, izany hoe vao 10 % ka tsy maintsy hiady izy ireo. Tsy ahoanay, hoy izy ireo izay filoham-pirenena ho lany eo saingy tsy maintsy hiady kosa izahay ary efa miantso sahady ireo kandida roalahy mpifaninana goavana amin’ny fifidianana fihodinana faharoa mba ho vonona amin’izany.  Tsiahivina  fa mbola amin’ny alalan’ny fifampidinihina aloha no hisantaran’ireto collectif ireto ny dingana hataony amin’ny fitakiana. Hihaona mivantana amin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena izy ireo ka zavatra maro loha no entiny amin’izany. Anisan’ireny ny fampidirana ireo mpampianatra tsy voaray ho mpiasam-panjakana nefa nahavita fiofanana ara-dalàna. Eo ihany koa ny fitakiana ny indemnité, ny fanatsarana ny  faripiainan’ny mpampianatra…. Nohamafisin’ireto collectif ireto fa hihamafy ny tolona ary tsy hijanona.

Pati sy Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT