Fampianarana

Coins jeunes TAFA Manohana ny tetikasa ACCESS ny Orange Madagascar


  • Talata 14 Septambra 2021

Mitondra ny anjara birikiny amin’ny programa ara-pahasalana ACCES (Accessible Continuum of Care and Essential Services Sustained

) iarahana amin’ny Minisiteran’ny fanabeazana, vatsian’ny USAID sy tarihin’ny MSH (Management Sciences for Helth) ny orinasa ara-tserasera Orange Madagascar. Manohana ny fandaharan’asa “Coins Jeunes” TAFA (Tanora Filamatra Aho) izay natokana ho an’ny tanora, ka CEG 22 amina distrika 22 no hanatanterahana izany. Natao io mba handraisana an-tànana sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora ho an’ny tontolon’ny fahasalamana eny amin’ny CEG amin’ireo distrika 22 ireo, izay any amin’ny Faritra Antsinanana, Atsimo Andrefana, ary Vatovavy Fitovinany. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanentana sy hisintona ny tanora mba ho lasa tompondaka amin’ny sehatra ara-pahasalamana mba ho tonga “Tanora Mendrika Salama”. Ireo mpianatra amin’ireo CEG 22 ireo dia hisitraka fanabeazana feno ho an’ny fahasalamana amin’ny alalan’io “Coins jeunes” io. Ny “Coins jeunes” isaky ny CEG dia hoentanin’ny tanora mpitarika miisa 20 eny anivon’ny sekoly amin’ny alalan’ny hetsika miendrika lalao sy fanabeazana. Ao anatin’ny fametrahana ny “coins jeunes”, dia mitondra ny anjara birikiny feno amin’ny fandaharan’asa ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny fampitaovana ny “Coins TAFA” izay hotolorana tambajotra Internet. Hahazo tolotra manokana na “Forfaits” ireo ankizy mpanao fanentanana, ary ireo mpanabe sy mpanara-maso kosa dia homena finday miaraka amin’ny “forfaits”. Marihina fa ny 27 aogositra teo no notokanana ny “Coin jeune TAFA” voalohany any Toamasina, ary hapetraka tsy ho ela ireo “Coins Jeunes” hafa, ka ny 17 septambra ny any Manakara, ny 24 septambra ho an’i Toliara,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT