Coins Jeunes » 4

eo anivon’ny METFP


  • Talata 15 Septambra 2026

Novatsian’ny UNFPA fitaovana mitentina 22 979 dolara

Nanolotra fitaovana ho an’ireo « Coins Jeunes » eny anivon’ny Lisea Teknika arak’Asa ny UNFPA (United Nations Population Fund) omaly 14 septambra 2026, hoenti-manohana ny tanora. Fitaovana miteti-bidy 22 979 dolara, haompana amin’ireo coins jeunes miisa 4, fitaovana ara-informatika, ara-pialam-boly, ara-panatanjahantena,… ka hisitraka izany ny ao ka hisitraka izany ny Lisea teknika any Milenake, Mananjary ary Manakara. Nandray izany tamin’ny fomba ofisialy ny METPF notarihin’ny Minisitra Todisoa Andriamampandry, izay nankasitraka ny finiavana hanohana ny tanora. Miara-misalahy amin’io moa ny METFP sy ny UNFPA izay iarahana amin’ny Royaume de Norvège. Tafiditra ao anatin’ny PGE-R sy ny Plan d’Action Stratégique 2026-2027 an’ny METFP izany, izay mametraka ny tanora ho laharam-pahamehana. Tanjona ny hanamafisana ireo sehatra ho an’ny tanora mpianatra, hanohanana ny fivelarany, ny fahaiza-mamorona, ny fahasalamana ary ny firaisankina. Tanora mpianatra manodidina ny 1 500 noho izany no hisitraka ity fanomezana ity, izay hanamafy ny « Coins Jeunes » ho sehatra ifampizarana, famoronana ary fivelaran’ny tanora. Natao ny tetikasa mba hitarihana sy hiarovana ny tanora amin’ny olana samihafa toy ny ara-pahasalamana satria 42% amin’ny vehivavy no manambady alohan’ny faha-18 taonany noho ny vohoka aloha loatra sy tsy voarindra eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Solontenan’ny UNFPA Atoa Ngoy kishimba. Natao mba hitarihana ny tanora tsy hanaonao foana, toy ny herisetra, fidorohana zava-mahadomelina, filokana…. Nankasitraka ny Fanjakana Norveziana sy ny UNFPA ny METFP noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny tanora Malagasy ary manamafy hatrany ny fahavononana amin’ny fametrahana tontolo fanofanana tsara kokoa ny Minisitra Todisoa Andriamampandry, izay nanamafy fa ahafahan’ny tanora mampivelatra ny fahaiza-manaony sy ny talentany ary miomana amin’ny hoaviny izao. Nankasitraka ny METFP amin’ny politika mitsinjo ny fahasalaman’ny tanora ny UNFPA.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Fitaovam-pianarana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Vao ny 30%-n’ny mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT