Fampianarana

CNTEMAD Havadika ho oniveriste nomerika


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Raha fianarana hampitain-davitra no nahafantarana ny sekoly ambony CNTEMAD etsy Ankaditapaka hatramin’izay dia fantatra fa havadika ho oniversite nomerika izy.

Taorian’ny fihaonan’ny Ministry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ireo delegasiona avy ao amin’ny AUF (Agence Universitaire de la Francophonie) izay notarihin’ny Rektora Lefitry ny AUF, Atoa Pierre Jean Loiret , notronon’ny Talen’ny tetikasa ny AUF, Rtoa Sabine Lopez, ny Tale Lefitry ny tetikasa aty amin’ny faritra Ranomasimbe Indianina, Rtoa Mireille Andriamampianina nentina nandinihina izany dia tontosa soa aman-tsara omaly tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina ny atrikasa mifandraika amin’izany. Izany no natao dia entina hampivoarana ny fampianarana ny tontolon’ny fampianarana ambony eto amintsika. Tonga mizara ny traikefany amin’ireo mpanabe sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny CNTEMAD araka izany ny Talen’ny Fiofanana sy Fanabeazana ao amin’ny « Université Virtuelle » any Sénégal , Atoa Elhadji Mamadou Nguer, ny Tale Jeneralin’ny « Université Virtuelle » any Côte Ivoire, Atoa i Tiemoman Kone ary ny mpandrindra ao amin’ny « Université Virtuelle » any Sénégal, Atoa Moussa LO. Tsiahivina moa fa sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana ny CNTEMAD. Tamin’ny taom-pianarana 2020-2021 dia nahatratra 17.000 ireo mpianatra noraisiny, misahandraka amina lalam-piofanana maromaro toy ny lalana, ny fitantanana, ny varotra, ny toe-karena, ary ny fifandraisana. Efa mahatratra 44 isa ankehitriny ireo ivon-toerana misy azy manerana ny Nosy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT