Fampianarana

CNARP Hanamafy ny fikarohana ara-pahasalamana


  • Zoma 27 Mey 2022

Nosokafana tamin’ny alalan’ny lanonana goavana ny 24 mey teo ny faha-45 taonan’ny CNARP (Centre National d’Application de Recherche Pharmaceutique) ivon-toeram-pikarohana momba ny fahasalamana,

teny amin'ny foibeny teny Ambohijatovo Ambodivoanjo. Ny 1976 no moa no niorenan’ny CNARP izay isan’ireo ivon-toeram-pikarohana 9 eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. "Tsy vita iray andro, tsy vitan'olo-tokana ny fikarohana noho ny fenitra tsy maitsy arahina mba ahatonga azy hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ilaina noho izany ny fivondronan'ireo mpikaroka isan-tokony" hoy ny minisitra Pr Assoumacou Elia Béatrice. Nohamafisiny fa manohana ny mpikaroka amin’ny lafiny rehetra ny minisitera na ara-bola, na ara-pitaovana, na ara-piofanana sy ny lafiny maha olona. Feno ny dingana rehetra fanaraha-maso ny fanafody ho an’ny CNARP. Miainga avy amin'ny zava-maniry sy ny famokarana azy ka hatrany amin'ny fanaraha-maso ny fiasan’ny fanafody. Nambaran’ny Talen’ny CNARP Rtoa Rakotosaona Rianasoambolanoro, fa “ maro ny fanafody novokarin'ny CNARP nanomboka ny taona 2015, izay 13 eo izy ireo ankehitriny. Fanta-daza amin'izany ny Fanaferol izay fanasitranana fery, ny Hevokina, Niaouli, ary mamokatra CVO+ ,… izay samy azo avy amin'ny zavamaniry avokoa.” Ny CNARP no foibem-pikarohana natsangan'ny fanjakana voalohany teto Madagasikara tamin'ny taona 1976 ary CNRP na « Centre National de Recherche Pharmaceutique » no anarany tamin'izany. Ny 1992 dia niova ho CNARP. Anisany nanamarika ity ivon-toeram-pikarohana ity ny asa goavana natao teo amin’ny sehatra nasionaly, ho an’ny fanisana ny zava-maniry fanaovana fanafody eto Madagasikara, manaraka ny Pharmacopé Alaotra, sy ny any Ambongo. Teo ihany koa ny fandraisana anjarany lehibe tamin'ny ady amin'ny covid-19. Isan’ny tsangam-baton’ny faha-45 taonany ny nanolorana tamin'ny fomba ofisialy ny sary famantarana vaovaon'ny CNARP, Madagasikara maitso misy tsiraka mena. Nosoniavina nandritra ny lanonana ihany koa moa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny CNARP sy ny Pharmalagasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT