Fampianarana

Claude Raharivoatra Tsy mampaninona ny taona fotsy, saingy ...


  • Alatsinainy 18 Mey 2020

Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus isika ankehitriny.

 

 

 

 

Mbola ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana ihany hatreto no afaka manohy ny fianarany saingy mbola amin’ny ora voafetra ihany koa. Manahy ny amin’ny mety hisian’ny taona fotsiny araka izany ny Ray aman-dReny sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nanazava ny mikasika izany Raharivoatra Claude filohan’ny Sempama tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa na ho tonga amin’izay taona fotsy izay aza amin’ity taona 2020 ity dia tsy maninona saingy tokony hifanarahana kosa. Tokony hisy hoy izy ny fifampidinihina hiarahan’ireo mpisehatra rehetra ka lohalaharana amin’izany ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra noho ireto farany mampandeha ny fiainan’ny sekoly tsy miankina, ny sendika, ny mpampianatra… hotronin’ny fanjakana. Nomarihiny manokana moa fa valan’aretina tsy nampoizina ny coronavirus ary tsy mbola fantatra hatreto izay fotoana handresena azy noho izany aleo mahita ny ankizy salama na tsy mianatra aza toy izay ho lasibatry ny aretina.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT