Fampianarana

CLAC miisa 27 manerana ny nosy Novatsian’ny OIF “tablette” hanamorana ny fanabeazana ny ankizy


  • Zoma 23 Novambra 2018

Nahazo tablette miisa 140 ireo CLAC na « Centre de lecture et d’animation culturelle » miisa 27 manerana ny Nosy, omaly.

 

 Ny  OIF ( organisation internationale de la francophonie)  tamin’ny alalan’ny masoivoho iray no nanolotra izany hahafahana manamora ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora any ambanivolo. Araka ny fanazavan-dRamatoa Ramilison Rasoamanarivo Victorine, tale jeneralin’ny ivontoeran-kolontsaina CMDLAC dia izy ireo no hitantana ny fitaovana.  Boky manodidina ny 6 hetsy isa miampy ireo karazana encyclopedie no hampidirina ao anatin’ireo tablette ireo. Izay boky tsy hitan’ireo ankizy sy tanora ao anatin’ny trano famakiam-boky dia azony jerena ao anatin’ireo tablette ireo avy hatrany. Ireo mpanentana eny anivon’ireo tranomboky no hampianarina voalohany hikirakira ny fitaovana . Ny tanjona dia samy hahazo tombontsoa avokoa ireo ankizy sy tanora mpianatra eny Ambanivolo. Tetsy Antaninarenina misy ny foiben-toeran’ny OIF moa no nanaovana  ny lanonana mifandraika amin’izany omaly, natrehin’ny minisitry ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana Ramatoa  Johasy Eleonore.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT